John 13

1Ary andro mialohan’ny firavoravoan’ny Paska izao. Fantatr’i Jesosy fa tonga ny ora hialany eto amin’izao tontolo izao ka handeha any amin’ny Ray. Rehefa nitia ny mpiara-dia taminy teto amin’izao tontolo izao Izy, dia nitia azy ireo hatramin’ny farany. 2Ary ny devoly dia efa nametraka izao tao an-tsain’i Jodasy Iskariota zanak’i Simona, dia ny hamadihana an’i Jesosy.

3Izy dia nahafantatra fa ny zavatra rehetra dia efa napetrakin’ny Ray teo am-pelatanany ary Izy dia avy amin’Andriamanitra ary hiverina any amin’ Andriamanitra. 4Nitsangana Izy teo am-pisakafoana ary nanala ny akanjony ivelany. Avy eo Izy naka lamba ary nisalotra izany. 5Avy eo nandraraka rano tao anaty siny Izy dia nanomboka nanasa ny tongotr’ireo mpianatra ary namafa azy ireo tamin’ilay lamba nisalorany.

6Nanatona an’i Simona Petera Izy, ary hoy Petera taminy hoe: “Tompo, hanasa ny tongotro ve Ianao?” 7Jesosy namaly ary niteny taminy hoe: “Izay ataoko dia mbola tsy ho azonao izao ny heviny, fa ho azonao ihany izany any aoriana.” 8Hoy Petera taminy hoe: “Tsy hanasa ny tongotro mihintsy Ianao.” Jesosy namaly azy hoe: “Raha tsy manasa ny tongotrao Aho, dia tsy manana anjara ato amiko ianao.” 9Hoy Simona Petera taminy hoe: “Tompo, aza ny tongotro ihany no sasana, fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.”

10Hoy Jesosy taminy hoe: “Izay efa nandro dia tsy mila izany, afa-tsy ny manasa tongony ihany, fa izy dia efa madio tanteraka; ianao dia madio, fa tsy ny rehetra nefa.” 11(Satria efa fantatr’i Jesosy hoe iza ilay hamadika Azy; izany no antony nilazany hoe: “Tsy ianareo rehetra no madio.”)

12Ka rehefa avy nanasa ny tongotr’izy ireo Jesosy sy naka ireo lambany ka nipetraka indray, dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Fantatrareo ve ny nataoko ho anareo? 13Antsoinareo Aho hoe ‘mpampianatra’ sy ‘Tompo,’ ary marina ny voalazanareo, satria izany tokoa Aho. 14Kanefa raha Izaho, sady Tompo no mpampianatra, no nanasa ny tongotrareo, ianareo ihany koa dia tokony hifanasa ny tongotrareo. 15Satria efa nanome ohatra ho anareo Aho ka mba tokony hanao toy izay nataoko ho anareo ihany koa ianareo.

16Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa ny mpanompo dia tsy lehibe kokoa noho ny tompony; na koa ny mpitondra hafatra dia tsy lehibe kokoa noho ilay naniraka azy. 17Raha fantatrareo ireo zavatra ireo, dia ho tahiana ianareo raha manatanteraka izany. 18Tsy ianareo rehetra no resahiko; fantatro ireo izay nofidiako—fa izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: ‘Izay mihinana ny mofoko dia nanandratra ny vodi-tongony hamadika Ahy.’

19Lazaiko aminareo izao izany mialohan’ny hitrangany mba rehefa mitranga izany, dia mety hino ianareo fa Izaho no Izy. 20Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa izay mandray izay nirahiko, dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy, dia mandray Azy izay naniraka Ahy.”

21Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny. Nanambara Izy ary nilaza hoe: “Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa fa hisy iray aminareo hamadika Ahy.” 22Nifampijery ireo mpianatra, nanontany tena hoe iza izany nolazainy izany.

23Nisy iray tamin’ireo mpianany, izay tian’i Jesosy, nipetraka teo amin’ny latabatra ampitan’i Jesosy. 24Nanatona io mpianatra io Simona Petera ary nilaza hoe: “Anontanio Azy hoe iza izany lazainy izany.” 25Ka niverina niankina tamin’i Jesosy izy ary nilaza taminy hoe: “Tompo, iza izany?”

26Avy eo Jesosy namaly hoe: “Ilay iray izay handonako sy homeko ity mofo ity izany.” Ka rehefa nolomany ny mofo, dia nomeny an’i Jodasy zanak’i Simona Iskariota izany. 27Ary taorian’ny mofo, dia niditra tao aminy satana, ka hoy Jesosy taminy hoe: “Izay ataonao, ataovy aingana izany.”

28Tamin’izay ireo rehetra teo an-databatra tsy nisy nahalala ny antony nilazan’i Jesosy azy izany. 29Ny sasany nieritreritra hoe, satria Jodasy no nitazona ny kitapom-bola, no nilazan’i Jesosy taminy hoe: “Vidio ny zavatra rehetra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana,” na hoe tokony hanome zavatra ho an’ny mahantra izy. 30Raha vao avy nandray ny mofo Jodasy, dia lasa nivoaka avy hatrany izy. Alina ny andro tamin’izay.

31Rehefa lasa Jodasy, dia hoy Jesosy hoe: “Ankehitriny dia omem-boninahitra ny Zanak’Olona, ary Andriamanitra dia omem-boninahitra ao aminy. 32Andriamanitra dia hanome voninahitra Azy ao amin’ny tenany, ary Izy hanome voninahitra Azy avy hatrany. 33Ry ankizy madinika, fotoana fohy sisa no hiarahako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka izay nolazaiko tamin’ny Jiosy hoe: ‘Izay alehako, tsy azonareo aleha.’ Ary lazaiko aminareo koa izany ankehitriny.

34Didy vaovao no omeko anareo, dia ny hifankatiavanareo; tahaka ny nitiavako anareo, no tokony hifankatiavanareo ihany koa. 35Amin’izany no hahafantaran’ny rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia ianareo.”

36Hoy Simona Petera taminy hoe: “Tompo, fa andeha ho aiza Ianao?” Namaly Jesosy hoe: “Izay alaehako, dia tsy afaka hanarahanareo Ahy izao, fa hanaraka ianareo any aoariana.” 37Dia hoy Petera taminy hoe: “Tompo, nahoana aho no tsy afaka manaraka Anao izao? Hafoiko ho Anao ny aiko.” Dia namaly Jesosy hoe: “Hafoinao ho Ahy ve ny ainao? Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa mbola tsy haneno akory ny akoho dia efa handà Ahy in-telo ianao.”

38

Copyright information for PltULB